VAKY LELA


Ry mpankafy ny kanto malagasy ;

An-kafaliana hatrany no andraisana anao mpitsidika ny tranonkala mikolo ny tena teny. Izay mahatonga ny tsy tia azy ho tia, noho ny hery tsy hay tohaina ao aminy.

Ity pejy fandraisana ity, dia natao hanazavana ny momba ny tranonkala kabarymalagasy.atwebpages.com satria mety maro amintsika mpitsidika no gagagaga sy manontany tena hoe : "Tranonkala inona koa ary ity ?". Raha mijery ny tranonkala hafa isika, dia mahita fa hafa miavaka amin'ny maro ny kabarymalagasy.atwebpages.com satria natao hianarana kabary fotsiny izy. Jereo ny www.facebook.com ohatra : Misy pejy firesadresahana, misy pejy fandefasana sary, misy karazan-javatra maro hahafahana mifampita vaovao, sns ... . Ity tranonkala ity tsy mba toy izany. Ny Boky aza no toa manakaiky azy kokoa, fa natao endrika tranonkala izy mba ho mora vakiana sy mora hianarana; satria efa maro ny olona mampiasa aterineto amin'izao vanin'andro iainantsika izao. Noho izany dia nozaraina telo lehibe ny kabary ao aminy, dia tsy inona izany fa ny : KABARY AN-KAFALIANA, KABARY AN-KARATSIANA, KABARY AM-PANAMBADIANA mba ho mora ny mandrindra ny lafiny ara-tekinika.
Marihana anefa, fa santionany fotsiny ireo lisitra hitanao ireo mba anehoana ny firafitry ny kabary amin'ny ankapobeny. Ao anaty lesona kosa ny fanazavana azy amin'ny an-tsipiriany. Mety misy tsipelina diso na firafitra fehezanteny tsy ara-dalàna ihany koa ato noho ny olana ara-tekinika mpahazo ny tranonkala; ka raha mahita ianao dia iangaviana hanoratra ato mba hahafahan'ny mpandrindra ara-tekinika manitsy azy.

Ho antsika efa mpitsidika anefa, dia mahatsikaritra fa nasim-panavaozana izy mba hifanaraka amin'ny fijerin'olo-mandroso. Niampy OHABOLANA, HAIN-TENY, TONONKALO, HATSIKANA, TSIANJERY, FOMBA, ANGANO ary TANTARA maro samihafa ihany koa, noho ny fiaraha-miasa amin'ireo mpanoratra maro.
Ankoatr'izay, raha mahatsikaritra olana ara-tekinika ianao dia mivoaha kely aloha; avy eo miverina miditra ihany na manorata ato. Izay no azo ambara momba ny kabarymalagasy.atwebpages.com , fa :
Iriko ianao
Ho ambinin-tsoa;
Ka hioty ny tsara
Ato anaty TRANONKALA.

Mankasitraka tompoko.

ATF
Mpikabary - Mpampianatra - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA