Kabary am-panambadiana - Mamaly ny tokim-pitiavana (Mpangataka)

Mamaly ny teninareo aho fa ny rivotra no miady fiakarana, ny rano no miady fidinana, fa ny teny tsy valiana kosa mankarary ambavafon'ny mpiteny.

Etsy an-daniny, tsapanay dia tsapanay tokoa ny maha raki-tsarobidy aminareo ity angatahinay ankehitriny. Tsy mba nanao toy ny vahy mandady amin'ny hazo tsy fantatra mantsy ianareo ary raha tahiny ka teo amin'ny toerana nisy anareo koa aza izahay, dia tsy maintsy mba nanao toy izany ihany koa satria :
Ny voron-tsy rasaina tsy hita aty;
Ary ny Akoho tsy foy tsy hita soratra.
Na izany aza anefa ry izy mianakavy, tonio ny saina ary ampandrio ny eritreritra; aza miahiahy loatra fa :
Ny harafesina manimba ny vy;
Ny boboka manimba ny hazo;
Ary ny ahiahy manimba ny fihavanana.

Etsy an-kilany kosa indray izahay dia gaga, gagagaga sahala ilay ganagana masaky ny rano nandroana satria : tovolahy hangata-bady ve no hanontaniana fitiavana ?
Izany ve tsy : Manontany zavona an'i Tsiafajavona ?
Manontany ovy amiin'Ankaratra ?
Manontany horirika amin'i Behoririka ?
Miteny sora amin'Alasora ?

Na izany aza anefa, fantatray fa, tianareo ampanjakaina eto anio ny maha andron'ny fifankatiavana ny andro anio.
Koa raha ny fitiavan'i ................... an'i ................... no ambara dia tsy fitia ranotrambo tondraka sasakalina, ritra maneno akoho. Tsy tahaka ny voasary, tsy mierina akory ny andro niotazana azy dia lo fa tahaka ny divay tsara, arakaraky ny hijanonany ela no mampitombo ny hatsarany. Tsy tahaka ny ranon'ando, tsy tratran'ny andro maraina, ary na tratrany aza manjavona. Fa loharano tsy manam-paharitana, ririnina misy hitsihifana, fahavaratra be hatsakaina, fitian-dranonerika madini-piavy fa mahatondra-drano, fary lava vany ka tsy lany hamamniana, toy ny rano am-pasika, tazanina tsy misy tovozina nefa eo ihany, fitia latsaka anaty ka raha tsy ny aina no afaka tsy tapitra ny fitiavana, fitia lamban'akoho ka faty no hisarahana.

Izany no hafatra napetrany tamiko tompoko koa mino izahay fa na tsy nahafa-po anareo aza dia mety nahavaly ny fanontaniana napetrakareo ihany. Koa mbola mamerina ny fangatahana izay efa nataonay izahay, nandom-baravarana izahay dia novahanareo trano, nitsidika niandrandra vovonana dia nampandrosoanareo, ary raha mangataka dia omenareo.

Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy.

HF
Mpikalo – Mpandalina fomba malagasy – Mpanoratra

SOSO-KEVITRA