Kabary am-panambadiana - Fanatsafana (Mpangataka)

Tompokolahy sy Tompokovavy ;

Sodisodika railovy, rimorimo andiam-boromanga, manitra vonifanja re ny tsioka fa mahatsara vahiny ny eto(lazaina ny anaran'ny toerana ikabariana) ankehitriny.

Anio mantsy, ilay andro iray toa zato, ny tapany be noho ny erany, ny silany tsy atakalo ny manontolo. Ekena fa ny fianakaviana avy aty amin'ny zatovolahy no andrasana amin'ny fotoana sahala amin'izao, nefa ny manontany tsy ananam-pondro tompoko. Satria ny mpaka afo aza mbola manatsafa ho voninahitry ny tokonana hodinganina na dia efa hita izao aza fa midonaka ny tapenaka, mainka ve fa izahay manoloana ny haja amam-boninahitra hanananareo. Koa tsy hisosososo toa vinanto tsy mandre fosa akory, nefa koa tsy hitonantonana toy ny havan-tsy nalaina fa ny kely mifanaika dia tahotra, ary ny lehibe mifanaiky dia henatra. Koa hoy ny antsafanay manao hoe : moa efa afaka miroso amin'ny dinika ve tompoko sa mbola misy ny handrasana ? Moa efa eto va ireo sahafa be mahasivana, ny antsibe mahatapaka ary ny fanjaibe mahavitrana ?

Manotany izany izahay sao manerana vao manao mbay lalana, sao lasa mpifosa vao mifafa trano, ka lasa ny varatra vao mitsoka havozo. Raha toa ka efa eto ary izy ireo, dia tsara raha miroso amin'ny dinidinika sy ny tapatapak'ahitra ary ny torotoro ravina isika. Raha misy antony manokana mbola tsy ahafahana miroso amin'izany anefa, dia maneho ny fahavononana hiandry hatramin'ny farany izahay. Na izany aza tsarovy, fa ny andraso andraso, hono, mahariva ny andro ary ny andao andao mahavery ny entana. Hosoavin'Andriamanitra amin'izay valin-teny hasetrinareo ny antsafanay izay anie ianareo.

Misaotra tompoko.

ATF
Mpikabary - Mpampianatra - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA