Kabary an-kafaliana - Famangina tera-bao

MPAMANGY :

Tompokolahy sy Tompokovavy ;

Hoy ny fitenenana manao hoe : "Ny zanaka no voalohan-karena". Noho izany dia arahabaina ianareo mivady, fa nahazo harena avy amin'Andriamanitra. Maroroa taiza, ary enga anie ity zaza ity ho salama lalandava ka hazoto hanompo an'Andriamanitra; ary hanondrotra avo ny voninahitry ny fianakaviana.

Manaraka izany, indro rom-patsa kely avy aty aminay tapaka sy namana; koa dia mirary soa antsika rehetra.

Misaotra tompoko.


VANGIANA :

Tompokolahy sy Tompokovavy ;

Tsy hainay ny hangiana hoy ny fihirana fanampiny faha-7. Eny, tsy hainay ny hangiana ka tsy hisaotra an'Andriamanitra noho izao fara sy dimby nomeny anay izao. Tsy hainay ny hangiana ka tsy hisaotra anareo noho izany teny fiarabana hombam-pirarian-tsoa izany; noho izany dia misaotra anareo ihany koa izahay mivady. Enga anie ho tanteraka ny fanirinareo ho an'ity zanakay ity ka i Jesoa Kristy ny ho Tompo sy ho Mpamonjy azy eo amin'ny fiainana.

Momba ny rom-patsa indray, dia ho izahay manao hoe : mihonera be ny nialany; ary enga anie homba antsika miankavy ny fahasoavan'ny Tompo.

Misaotra indrindra tompoko.

ATF
Mpikabary - Mpampianatra - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA