Kabary an-kafaliana - Krismasy

KABARY FIARAHABANA AN'ANDRIAMATOA Andry Nirina RAJOELINA FILOHAN'NY REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA NOHO NY FIAVIAN'NY FETIN'NY NOELY

Tompokolahy sy Tompokovavy ;

Manao azafady fa izany no tehin-dava manintsana avido sy sava ando manajary ny dia.
Manao azafady aminareo Ray aman- dreny ka maha zanaka ;
Manao azafady aminareo zoky ka maha zandry ;
Manao azafady aminareo zandry ka maha zoky.

Tsy te hoderain'ny akoho aho akory ka hitoto vary diavolana ;
Tsy te hoderain'ny goaika ka hamboly voanjo ririnina ;
Ary tsy te hoderainareo, ka miseho handray fitenenana. Fa noho ny lamina misy, dia ny tenako no voatonom-bolo ka mijoro. Teny nomena izany ka mahasolanga, fa raha tsy nomena dia mahajoko.

Miala tsiny ihany koa aho satria mora ny mitondra tehina, fa sarotra ny mitondra teny. Na izany aza anefa Noely ny andro; izay tokony hifamelana sy hifandeferana ary hifamindrana fo; Mba tsy hisin'izany tsiny izany.

Manaraka izany, omem-boninahitra mandrakizay ny TOMPO ANDRIMANINTSIKA izay nanome ny zanany lahy tokana hamonjy antsika. Tsy ho atao ambany maso tsy tazana toa vatan'orona anefa ianareo rehetra manatrika, fa tolorana ny arahaba ombam-pirarian-tsoa ihany koa. Koa Arahaba tratry ny Krismasy tompokolahy, Salanitra tratry ny hasaramanitra tompokovavy.

Izay no ela; ela tsy azo nolalovam-potsiny anefa, fa saran'ny làlana sy voa vavahady hirosoana ao anaty votoatiny.
Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara.
Amin'izao fahatongavan'ny fetin'ny Noely izao dia mijoro eto ny tenako misolotena ny ankizy eto amin'ny "KINTAN'NY NOELY", tonga iarahaba sy irary soa anao. Manana adidy amin'ny laoka, hono, mantsy ny sira. Manana adidy amin'ny fatana ny afo. Fa mahatsiaro ho manana adidy aminao kosa izahay ankizy amin'izao fotoana izao. Toy ny ampangoro amin'ny taon-tsarotra mantsy ianao Andriamatoa Filoha, ka ny tsy manana anao maniry. Koa izay manana indray ve no haniry tsy hanana? Isaoranay hatrany Andriamanitra nanome, ary hirariana ny mbola hanome hery sy tanjaka ary fahasalamana ho anao eo am-panatanterahana ireo adidy maro izay sahanina manerana ny nosy, na eto an-toerana na any ivelany. Koa na aiza na aiza toerana alehanao dia ho to sy ho tanteraka aminao ilay Tenin'ny Soratra Masina hoe : "Ho tahiana ianao raha miditra ary hotahina ianao raha mivoaka" mba hiadanan'ny Vahoaka Malagasy. Koa ny fanomezana heverinay fa tsara indrindra atolotra anao amin'izao andro Noely izao dia ny Fitiavana sy ny Fahendrena.

Farany, mirary anareo Mpitondra rehetra mba tsy ho toy ny ganagana, ka ny natao hitarika indray no kely feo, na ho tahaka ny fary ka ny lohany indray no hatsatso, fa mba ho sahala amin'ny lefona, ka ny lohany no tena maranitra satria ianareo no toy ny ampinga mifangaro volamena, ka raha mitraka dia voninahitry ny lanitra ary raha miondrika kosa fahazavan'ny tany.

Koa izao teny izao,
Aza araraka an-tany;
Fa ny manana tany,
Manana teny;
Ny manana teny,
No manjaka amin'ny tany;
Ka ny tompon'ny tany,
No tompon'ny teny.

Mankasitraka Tompokolahy, Mankatelina Tompokovavy.

RM
Mpikabary FI.MPI.MA. - Mpampianatra - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA