Kabary an-karatsiana - Fanaladiana

MPAMANGY :
Manakory avy izato ianareo tompoko ?

VANGIANA :
Indreto, eto ihany tompoko !

MPAMANGY :
Avy mamangy amin'ny fahoriana tompoko.

VANGIANA :
Misaotra indrindra tompoko.

MPAMANGY :
Eny ry izy mianakavy, manoloana izao fahoriana izao dia tonga eto izahay (tononona ny fifandraisana amin'ny tompom-pahoriana). Tsy tonga hamendrofendro anefa, na hanampy ny ranomaso efa nirotsaka sanatria; fa tonga hampionona sy hampitraka. Entin'ny miankandrefam-baravarana rehetra mantsy ny fahafatesana ka :
Mahaiza manaiky;
Fa ity fiainantsika toa voamaintilany
Mety hisy hatsikaiky;
Kanefa tsarovy ihany koa fa mety hisy tomany
Ilay fiterahana;
Fifaliana kotaba io ka tsy hifandrenesana
Fa fisarahana;
Mangidy tsy laitra Rafahafatesana.
Koa mahereza tompoko.

VANGIANA :
Eny Tompokolahy sy Tompokovavy ;
Toy ny voly varin'Andriamanitra marina ny fiainantsika zanak'Olombelona. Apetrany izay tiany apetraka; alainy izay tiany alaina.
Nefa raha mandre izany teny fiaraha-miory feno fankaherezana izany izahay, dia mionona ny fo. Satria tsy misy mampionona aza, toa hay ihany ny mionona koa rehefa misy indray ve? Mankasitraka anareo fa tsy nataonareo ho toy ny zanak'Ikalahafa izahay.
Misaotra tompoko.

MPAMANGY :
Manaraka izany tompoko, raha misy rony dia miara-misotro; raha misy ventiny dia miara-mitsako. Koa indro izany teninay izany hampiarahana amin'ny Solon-dranom-bary tsy masaka sy Solon-damba mena satria ny velona hono raha hisaraka, hombam-potsim-bary; ary ny maty raha hisaraka, homban-dambamena.
Koa mbola mamerina ny teny fampiononana tompoko, ary ilay Andriamanitra mahery anie homba anareo mandrakariva.

VANGIANA :
Tsy vitan'ny efa tonga nampionona ianareo fa mbola nitondra ny anjaran'ny velona sy ny maty. Noho izany dia ilay fisaorana toy ny fary lava vany no atolotra anareo satria izany no tsy mety lany hamamiana. Misaotra, misaotra, misaotra anareo izahay; fa sitraka mamy sy telina koa no nataonareo taminay.

MPAMANGY :
Eto am-pamaranana ary, mangata-dalana hitsaitsaika izahay satria ny eto adidy ary ny any andraikitra. Mbola hiverina eto ihany anefa satria mbola misy ny fiareta-tory(raha misy fiareta-tory), ny famoahana razana, ary ny fandevenana.Koa mahereza tompoko.

VANGIANA :
Mbola mamerina ny fisaorana tompoko, ary tsy misy tsiny fa omen-dalana ianareo.

MPAMANGY :
Noho ny fiatrehana ny hamehana ara-pahasalamana moa dia tsy afaka hifandray tanana isika. Koa ndeha atsangana ny tanana ankavanana ho marik'izany. (Manangana tanana ny be sy ny maro) Misaotra tompoko.

ATF
Mpikabary - Mpampianatra - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA