Kabary am-panambadiana - Manasa ny olona hisakafo (Mpamoaka)

Hitanay amin’izao tokoa fa faly sy ravo ianareo fa sao dia adinonareo aza fa ny anareo zatovolahy, ny anay zatovovavy ka raha iray ampiana iray zany lasa roa ny anareo, roa koa ny anay satria manomboka eto dia fianakaviana iray isika mianakavy fa tsy misy zanak’ilakahafa eto.

Koa satria moa naharitraritra ihany izay dinika nifanaovantsika teo izay dia aleo isika mianakavy mba hiaraka hanala hetaheta fa misy tonom-balala sy endim-bomanga ihany ao nokarakarain’ny fianakaviana sady misy rano mangalahala ihany koa fanala hetaheta koa dia manasa anareo am-pitiavana izahay tompoko amin’izay kely voaomana ao fa na valala iray aza ifanapahana e !

Misaotra tompokolahy ! Mankatelina Tompokovavy !

HF
Mpikalo – Mpandalina fomba malagasy – Mpanoratra

SOSO-KEVITRA