Kabary an-karatsiana - Marary

MPAMANGY :

Eny ary tompoko ;

Manoloana izao tsy fahasalamana mahazo an'i (lazaina ny anaran'ilay olona marary) dia tonga eto izahay mpiara miasa aminy. Tsapanay mantsy fa tanana havia sy havanana isika, ka izay didiana marary. Ka rehefa tojo tsy fahasalamana toy izao, dia rariny loatra ary hitsiny indrindra raha mamangy. Noho izany ry (lazaina ny anaran'ilay olona marary) dia mirary fahasalamana haingana ho anao izahay; ary enga anie ny Dokotera ny sy fanafodiny hiasa tsara mba ho tanteraka izay hirintsika. Nefa ihany koa hivavaka ho anao izahay fa aza manahy (azo asiana vavaka fohy eto).

Eny ary ry zareo fa dia indro solon-dranom-boankazo kely hampitony ny fanaintainana, ary mirary ny fahasoavan'ny Tompo ho aminareo.


VANGIANA :

Eny Tompokolahy sy Tompokovavy ;

Manao azafady indray am-bava, manao azatsiny indray manonona satria izy moa mbola tsy afaka miteny ka dia izaho no mitsangan-tsy zoto miteny tsy fidiny.

Ny voalohan-teny dia ny fisaorana anareo fa tsy nataonareo zanak'Ikalahafa izy (na izahay). Mafy tokoa ireny dona nahazo azy ireny, nefa tsy maty izy fa mbola notahin'Andriamanitra. Izany ihany koa no mbola hisaorana Azy izay nanome tombon'andro ary mirary ny famindram-pony amintsika rehetra.
Mahatsiaro sambatra izahay noho izany (jereo zato endriny miramirana ery mahita anareo) satria sady tian-janahary no tian'olona. Ka ny fisaorana toy ny fary lava vany ka tsy mety lany hamamiana no atolotray anareo, noho izao fanehoam-pihetsika maha te-hidera izao; fa nandany andro ianareo sady nandany vola aman-karena.

Misaotra tompoko.

ATF
Mpikabary - Mpampianatra - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA