Kabary an-kafaliana - Taom-baovao

Tompokolahy sy Tompokovavy ;

Isaory Andriamanitra aloha dieny izao ;
Isaorantsika, dia izao sy ianao ;
Isaory fa zava-dehibe tokoa izao ;
Isaory fa mbola ity indray i Taom-baovao.


Koa manao azafady indraim-bava e ! Manao azatsiny indray manonona fa :
Faly ny fo ka tsy tana intsony ka aza tsiniana ;
Mitombo andro iainana indray mantsy ny fianakaviana ;
Koa raha tsitrakareo, soso-kevitra ny ahy ;
Ndeha mba hiarak'itehaka hiaraha-mizaha.


(Tehaka)

Eny ary tompoko ;
Arahabaina nahatratra ny taona vaovao. Enga anie ity taona ity ho taom-pahombiazana ho antsika rehetra, ka hahalavorary izay rehetra atao.
Manaraka izany, dia mitodika manokana aminareo Ray aman-dreny loharano nipohirana izahay. Hoy ny kalokalo fanao fahiny manao hoe :
Raha mahita ny fitsipak'Adrisa
Toa mahatsiaro ny diamanga fanao fahizay ;
Raha vaky vovonana fahavaratra
Misento ny lafin'ny Ray ;
Fa raha rodi-damba ririnina
Misento ny lafin'ny Reny.


Noho izany dia arahabaina manokana ianareo Ray aman-dreny amin'izao taom-baovao izao. Ho arovan'Andriamanitra lalandava anie ianareo ka hitombo fahasalamana mba hahafahantsika miara-miriaria indray amin'ity taona ity. Koa fafinaretan'ny maso mijery sy ny vava miteny ny tana-manolotra e ! Indro misy Solom-body Akoho atolotray. Kely dia kely tokoa, fa ny fo manolotra am-pitiavana no mameno azy.

Mankasitraka tompoko.

RATSIMBA Zafy Pythagore
Mpikalo - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA