Kabary an-karatsiana - Kabary eny am-pasana

Tompokolahy sy Tompokovavy ;

Manao azafady indraim-bava, fa izany no fangatahan-dalana raha hiteny. Manao azatsiny indray manonona, fa ny miteny tsy afa-tsiny afa-baraka.

Mijoro eto izahay mianakavy haneho fisaorana anareo, satria fony mbola narary teny amin'ny Hopitaly Itompokolahy (na Itompokovavy) dia novanginareo ka notoloranareo solon-dranom-boankazo. Nodimandry izy dia mbola narahinareo fankaherezana ho an'ny fihanakaviana, fony mbola teny am-bohitra ny razana ka nanoloranareo solon-dranom-bary tsy masaka ho an'ny velona sy singan-dandy ho an'ny maty. Ary tsy afa-po tamin'izany ianareo fa mbola manotrona ny velona sy mandevina ny maty ankehitriny. Ka noho izany, dia manolotra ny fisaorana feno fankasitrahana ho anareo rehetra izahay satria zava-dehibe izao fihetsika maha te hidera asehonareo izao. Koa misaotra, misaotra, misaotra anareo izahay fa sitraka mamy sy telina koa ny nataonareo taminay.

Manaraka izany tompokolahy sy tompokovavy, ny fandevenana tahaka izao dia tsy azo ataotao foana fa misy fenitra tsy maintsy arahina; ka tompon'andraikitra voalohany amin'izany ny fonkotany. Koa manolotra ny fisaorana eram-po sy fankasitrahana eran-tsaina ho an'ny fonkotany (lazaina ny anaran'ny fonkotany handevenana) nanome alàlana tamin'ny fandevanana. Tsy atao ambany maso tsy tazana toa vatan'orona anefa ireo valala mpiandry fasana izay mpikarakara itony toerana itony, fa tolorana fisaorana toy ny fary lava vany ka tsy mety lany hamamiana. Indro ary ampiarahanay amin'izany ireto valopy ireto, ka miangavy ny solontena ny fonkotany sy ireo valala mpiandry fasana manatrika eto handray azy.

Farany, ndeha isika hiara-hanangana ny tanantsika ankavanana ho solon'ny fanaovam-beloma sy fanaterana ny fianakaviana any an-tokatranony (mananga-tanana daholo ny rehetra). Misaotra tompoko fa ny maty hono arahin-damba mena, ny velona kosa arahin'adidy. Ny maty rahateo tsy hiverina intsony fa isika velona no ametrahana ilay fitenenana manao hoe : "MIFANKATIAVA RAHA MBOLA VELONA, FA TSY MATY VAO RAMALALA".

Mankasitraka tompokolahy, mankatelina tompokovavy.

ATF
Mpikabary - Mpampianatra - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA