Kabary am-panambadiana - Azafady (Mpangataka)

Tompokolahy sy Tompokovavy ;

Ny jafajafan-dia, fanaon'ny matanjaka
Ny rodorodom-pamindra, fanaon'ny mahery
Miserana izy ireny tsy manao mbay lalana
Miteny tsy manao azafady

Fa izaho kosa, avy milamina toa volantsinana ka manolotra ny azafady.

Ny azafady mantsy dia sady fangatahan-dalana raha hiteny no fanomezam-boninahitra ho an'izay hitenenana.
Azafady manembana ry Ray aman-dreny, izay masoandro amam-bolana fanala haizin'ny tany.
Azafady mihelina ry zoky be toa Ray, izay vato nasondrotry ny tany, trafo nasondrotry ny nofo, olona nasondrotry ny voninahitra.
Azafady miserana ry mitovy saranga amin'ny tena, izay filo sy fiaratra amin'ny fitenenana.
Azafady mivolana imaso, ry Andriambavilanitra izay kibo nitoerana, saronan-karona niraiketana.
Azafady misalovana ry zandry zanaka, izay hirina ho Saonjo ka hihoatra ny Ankondro.

Mety ho lasa an'eritreritra ianareo ka hanontany hoe : Ala nilaozan-tantely ve sa tendrombohitra nilaozam-bato sa fianakaviana lany olo-manga no dia tanora fanahy toy io no mitondra ny teny ? Tsia Tompokolahy, tsia Tompokovavy ! Tsy toy ny ala nilaozan-tantely na tendrombohitra nilaozan-bato ireto fianakaviana ireto, fa manatrika eto tokoa ireo olo-manga fa noho ny fandaminana nisy teo amin'ny fianakaviana, dia nataon'izy ireo nanana anjara hitondra ny fitenenana ny tenako. Tsy hoe tampony amin'ny fahalalana aho akory na ambony amin'ny fahaizana ka handeha hisongon-teny azy ireo. Tsy mba toy ilay telomirefy vadin'ny volana, fa toy ny sarambaben'ny kintana eny amin'ny lanitra izay zara raha mahatantera-pahazavana. Tsy mba ny olona iray toa zato, fa ny ankamaroam-bahoaka, nefa noho ny miteny tsy ifandrombahana fa natao hifanomezana, noho ny miteny toy ny vato ka izay maivana no atoraka; tsy maivamaivam-poana tahaka ny akofa anefa, fa maivana am-panambarana tahaka ny teny voatso-drano.
Voninahitra natolotra ahy an-tsobika izany, ka tsy ataoko am-patram-bary. Ilo mby an-doha, tsy araraka an-tany.
Koa ny jabo no azo tafiana, hono, teny ierana amin'ny landy. Ny akoho no maty, teny ierana amin'ny mpivady. Ny tenako no afa-mijoro, teny ierana amin'ny fianakaviana.
Teny nomena, tompoko, ka raisina am-panetre-tena.

ATF
Mpikabary - Mpampianatra - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA