Kabary an-kafaliana - Fiharabana vita Batisa na Batemy

NY MPIARAHABA :

Ry mpianakain'ny finoana ;
Mamelaha ahy ianareo hiarahaba ity zaza vita batisa (na Batemy) ity satria :

Sambatra samy hazo, hono, ny ambiaty fa nahazo to tamin'Andriamanitra ka nataon'ny olona ho famataran-taona;
Sambatra samy zava-maniry ny maintsoririnina, fa fahavaratra miara-misalahy amin'ny maro, ririnina tombondahiny ihany;
Fa sambatra samy sambatra kosa i (lazaina ny anaran'ilay zaza) fa vita Batisa (na Batemy).


Ny Akoho anefa no lehibe, noho ny volony; Ary izy no toy izao dia noho ianareo Ray aman-dreny. Koa arabaina ihany koa ianareo , fa tanterakareo ilay tenin'ny soratra masina araka ny Ohabolana 22:6 manao hoe: "Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra azy izy, dia tsy hiala amin'izany". Koa enga anie ity zaza ity ho ambinin'Andriamanitra amin'izay rehatra hataony mandritra ny androm-piainany.

Manaraka izany, indro izahay manolotra ity Baibolin-jaza ity ho santatry ny famakiany ny tenin'Andriamanitra.

Misaotra tompoko.


NY ARAHABAINA :

Tsaroanay tokoa izao
Ny soa be noraisinay
Tsy tapaka avy taminao
Ry Andriananaharinay

Izany hirahira faneho hafaliana ao amin'ny Tompo izany ho ataonay tehina mialoha Andriana mba ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fanolorana ny fankasitrahana anareo noho izany teny soa fiarabana hombam-pirarian-tsoa izany.
Enga anie ho to sy ho tanteraka izany. Ary mirary ny mbola tsy vita ho vita soa aman-tsara ihany koa.

Farany, honeran'Andriamanitra avy zato eny anie ny laninareo tamin'ity fanomezana ity.

Misaotra indrindra.

ATF
Mpikabary - Mpampianatra - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA