Kabary am-panambadiana - Azatsiny (Mpangataka)

Fa alohan'ny itenenako anefa dia miala tsiny aho satria, ny miteny tsy miala tsiny dia tahaka ilay jiolahy mitafy lamba halatra mamonjy lanonana ka mitotorebika miaraka amin'ny loza.

Miala tsiny fa ny tsiny toy ny saonjom-bazimba ka :
Angadiana manapaka angady;
Raofina maharovi-tsobika;
Lolohavina mahasola loha;
Trotroina mahavaky tratra;
Babena mahafola-damosina;
Sakelehina mahakely ila;
Vimbinina mampiepa-tanana;
Hitsahina maha be lohalika;
Tsakoina mahabangaridana;
Atelina singotry ny aina.


Ny olona andrian'ny tsiny dia toy ny ranotany an-tampon-kavoana, fahavaratra kaon'ny riaka, ririnina faohan'ny rivotra, ka levona ny fiafarany.
Koa alako fahavaratra ary ny tsiny ho kaohan'ny riaka, alako ririnina ho ririasan'ny fanala, alako atoandro halazon'ny andro, alako alina tsy hahita lalan-kiverenana intsony.

Resaka ihany anefa izany ka resaka, teny ihany ka teny, fa na ho lany andro hifamira vava ny tsiny eto ary isika mianakavy kanefa ny atao tsy metimety ihany, tsy tsara tsy ratsy toy ny andro ririnina dia hiverina amintsika ihany ny tsiny. Tsy izay hosoran-tsakay mantsy no mangidy na izay hosoran-tantely no mamy, fa ny atao no antony. Aoka ary hahay hitondra tena. Aza miringiringy ho vasoka toa lohalika, fa mandefera ho mandina toa laferana. Ary aza ny lohasahy mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha, fa raha izany no tanteraka dia hisaraka tsy kapaina toy ny lanitra sy ny tany isika sy ny tsiny.

Nefa ny miteny moa tahaka ny mamoaka omby zato, miandry omby arivo ka tsy hilaozan'izay hisy hania; rafi-biriky tsara dity sy tsara lasitra ka tsy hilaozan'izay hisy ho tapaka. Koa miala tsiny indrindra tompoko raha misy tsy mety izay voalazako eto.

ATF
Mpikabary - Mpampianatra - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA