. ">
Kabary am-panambadiana - Fanatsafana (Mpamoaka)

Eny ary Tompokolahy sy Tompokovavy ;

Misaotra nanontany fa raha ny fianakaviana moa dia mirantsana tahaka ny lalan-kely tokoa, satria heniky ny lafin-kavana ny lafy valo. Araka izany, miandry teza ho lavo eto isika raha ny fianakaviana no andrasana ho vory.
Koa ento ary ny dinika fa ianareo no nandrasana. Mialoha izany anefa, handeha hapetraka eo ambany fitarian'Andriamanitra izao fotoana izao satria "Raha tsy i Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy". Koa manainga am-panajana ny tompon'anjara amin'izany.

Misaotra tompoko.

ATF
Mpikabary - Mpampianatra - Mpanoratra

SOSO-KEVITRA