Kabary am-panambadiana - Misaotra tamin'ny tokim-pitiavana (Mpamoaka)

Eny ry lahy eny manko rahavana!

Mahay ny mpitondra teninareo koa dia mankasitraka indrindra amin’izany tokim-pitiavana miredareada izany.

Andraso aloha hanontaniantsika ireo ray aman-dreny niteraka, ny kibo nifonosana raha toa ka mety aminy izany tokim-pitiavana avy amin’i (Lazaina ny anaran'ny zatovolahy) teo izany.
Mahafa-po antsika ve izay ry zareo? (Tehaka hatrany no valin-teny ao aorian’ny fiantohan’ny ray aman-dreny)

Koa satria efa nanaiky ireo ray aman-dreny niteraka dia hiroso amin’ny dingana manaraka isika. Toa ny vato ambany riana anefa isika ka tsy manao izay hikorontanana fa mifanamboatra toerana fotsiny ihany. Amin’ny fotoana tahaka izao tokoa mantsy no ahatsiarovana fa :

Na madio tahaka ny inona aza, ny ravitoto tsy mba fanasa;
Na toa inona aza fahamaikana, ny toto-kena tsy mba fitetika;
Na bevohoka ratsian-kena aza tsy fanao ny manaikitra omby mitsangana.

Ary amin’ny fanambadiana toa izao dia tsy azo atao ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry!

Efa nisy dia nisy tokoa ireo fanomezam-boninkahitra nentinareo sy nasehonareo fa manao ahoana kosa ny amin'ireto ray aman-dreny sy ny fianakaviana nikolokolo?

Misaotra tompoko!

HF
Mpikalo – Mpandalina fomba malagasy – Mpanoratra

SOSO-KEVITRA